NY LALANA MODY (Ny Sakelidalana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaky ny mijery ny lalana mody
Dia ny andro tavela no indro
tanisaina fa tody an-tsaina e!
Ankonankona foana torovan’ny embona
Re mitsaika ao anaty
Mivaingana tsy mety maty.


Refrain:
Irony sentosento miserana sy mandalo
Ô! ô! ô!
Irony ventsoventso mampimalo
Nefa ho aiza e! f’efa voafatotra
Mivavabavaka sisa e!
No sisa, no sisa farahery.


Isaky ny mahita ireo olona ho any
Dia ny entana foana no efa voafehy
Toa vonon-kandeha e!
Nefa hono lahy tsy ho aiza tsy akory
Tsy mba afaka ho any,
tsy afaka ka hitonmany.

Ref...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Sakelidalana
Vangy : 4621
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 28/01/2002 20:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111