Fihin-tànanao (Tovo J'Hay)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako ianao, tiako ianaoIlay tsikinao isa-maraina d'efa ampy ahy
Ho fifaliako, sitrako sy tiako
Fankaherazanao manala ahiahy
Tsy hohadinoiko, voasikotra am-poko
Fihin-tananao maneho fahavononana
Mba hiatrika izay adiko sy olana
Raha sendra mitomany, ho tojo ilay ankaso
Ny tananao no inoako, mahafafa ranomaso
Tsy anjely nefa ianao, mifono mistery amiko
Be fitiavana, andrianiko ho tiaviko
Indro aho fa niova nanam-pahendrena
Niova ny fiainako, niova ny fisainako
Dia tsisy afa-tsy ianao no voajeriko
Mamiko tiako, tokana fidiako
Tokinao, tsikinao, ampy ho andriko
Efa fantatrao fa ianao anie no kiadiko
Tsy taitra randram-bao, fa mionona aminao
Anaty tsy mba re, tsy sanatria voafehy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tovo J'HayVangy : 14550
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Payci
Daty : 19/04/2007 07:49