Ho anjarako (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nodorako izay rehetra rehetra momba anao
Rovitr’ihany koa ny sary rehetra nisy anao
Fa tsy maty anaty foana 'lay tsiaro
Fa tsy nangina
Fa maro loatra ireo tantara nifangaro

Efa narendriko tsy ho hita ireo firavaka
'zay rehetra nomenao efa any anaty lavaka
Indrisy anefa miraikitra tsy miala ato anaty
'lay alokao manaraka ahy
Indraindray tsy tanty

Ref:
Dia nihazakazaka aho nijery 'zay mba nisy anao
Nivezivezy tsy nisy hery, nitady nomerao
Hilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako
F'ianao no iriko anilako
Dia mbola ianao ihany no ekeko ho anjarako

Ilay toerana faleha niarahana nitafa
Tsy nandalovako intsony, iviliko lalan-kafa
Ny maso anefa mitsimpalotra mangalatra mankany
Fa feno loatra ny alahelo
Ka kotsan' ny tomany

Tsy tiako henoina intsony ireo hira mba fihainontsika
Izaho sy ianao mifamihina rehefa andro mangatsiaka
Nefa ny tonony sy ny feony tsy afaka an-doha
Lasa aretim-po
Nanjary vao mai-nankarary...

Ref:
Nihazakazaka aho nijery 'zay mba nisy anao
Nivezivezy tsy nisy hery, nitady nomerao
Hilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako
Ianao no iriko anilako
Mbola ianao ihany no ekeko ho anjarako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tovo J'Hay
Vangy : 12733
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : IMR
Daty : 08/01/2012 12:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7773