Teny Mamy (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
   TENY MAMY

Ny teny mamy nolazaiko
Nanambitamby anao
Matokisa sombinaiko
Fa tsy hiova hatram’izao!
Hatezerako ombieny ombieny
Nankararirary fo
Aza raisinao ireny
Aoka hivalona avokoa!

Ianao irery no nilaiko
Ianao pitcwmq ilay nofinidy
Mahay mandamindamina ny saiko
Diamondra sarobidy!
Raha misy ladtohku ny hadalako
Olombelona tokoa
Aoka re mba hofafàko
Dia hovaiko ho zava-tsoa!

Ny sangisangy ’zay fanao
Horokoroka fahiny
Raha mety re ianao
Averiko eto ankehitriny!
Ny bedibedy ’zay tsy tanty
’Zay nandreraka ny loha
Tsy ataoko intsony mandra-maty
’Zao dia ’zao aho dia hiova fo!

                    tononkira.serasera.org         jexph                     TOVO J’HAY!



Atolotra ho an’ny MPANKAFY rehetra! Dia tiako be ianareo sy ny tompon-kira! (08/11/02)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.086