You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Mahatsiaro tsy ampy anao (Tovo J'Hay)


Rehefa hariva malomaloka iny
Dia ianao no tsaroana
Raha semban-drahona iny lanitra iny
Ny hiranao no kaloina
Ilay fihetsikao, ilay fitsikinao
Sarotra hadino
Ilay fomba fanaonao sy ireo tositosinao
Nahazatra fahiny.  

Mahatsiaro anao aho
Mahatsiaro anao foana
Mahatsiaro anao aho
Mahatsiaro anao fa tsy ampy anao
Mahatsiaro anao aho
Mahatsiaro anao foana
Mahatsiaro anao fa tsy ampy anao

Toy ny misy Tsiky dia ampyaloka manaraka ahy
Toa tsy mety maty
Tandidonao tsy afa misaraka ahy
Fa mifikitra anaty
Raha misy andro iray tsy hihaonana ao
Mieritreritra foana
Fa toa variana mahatsiaro anao ry tiana
Toa mitempo mangina

Mahatsiaro anao aho
Mahatsiaro anao foana
Mahatsiaro anao aho
Mahatsiaro anao fa tsy ampy anao
Mahatsiaro anao aho
Mahatsiaro anao foana
Mahatsiaro anao fa tsy ampy anao


Mahatsiaro anao isan'andro
Mahatsiaro anao






Hevitra mandeha

botika2 (20/08/2018 15:12:04)

ndriiii, mampanembona be ilay hira , :(

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 9622
Mpakafy : 4 Ankafizo
Nampidirin'i : ralayzik
Tamin'ny : 22/02/2017 20:25:13
ID : 9185

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo