You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Hatreto ihany (Tovo J'Hay)

Nitampifimpify teo izy
Nandany tontolon'ny andro,
'Lay masoandro nidify
Tsy hitany akory,
F’efa maizina ny antoandro,
Nipitrapitra nangina
Tsy nandrenesana feo,
Reko any ho any mitempo ny fony
Ndriiii, tsy nety ho tony.

Tsy hita ianao,
Tsy hita ianao hanambitamby azy eto
Fa ny anao efa voafetra hatreto
Ka izy irery ihTsiky dia ampyany,
Izy irery ihany no tomany
Tsy hita ianao,
Tsy hita ianao hanala ilay sento
Fa ny anao efa voafetra hatreto
Na himpenimpenina, himenomenona
Tsisy azo atao

Fotoana vitsy kely monja
Fotoana mba nakany fý
Mavesatra sy mafonja
Fitiavana tsy misy ohatran' ity
Dia mihitrisatra teo
Malaindaina hifandao
Nefa dia tsy mba nifankafoy
Taloha izy nandeha

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 6903
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 05/08/2006 14:00:24
ID : 3810

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo