Masoandron'ny fitia (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia nirotsaka tsy satry ny tomany,
Dona-tsetroka mijofo any ho any,
No nilaza f'efa lao, ka handao ahy ianao,
Nikopak'elatra any an-danitra toaep vaovao..
tononkira.serasera.org
Alina mitsilopy, manjopika
Mitanisa izany nofy  niainantsika,
Mampanembonembona ahy amin'ny andon'ny tsiahy
Mampangolika fo sy fanahy...

Taitra teo aho fa nandre feonao mihomehy,
Reko mamiravira fo voarotsina hira,
Hasambaram-baovao, ho rivo-baovao,
Ando tsaran'ny maraina no anao!

Fa ny ahy ho vonoiko ny tsiahy,
Hosoloiko hirahira tsy hampanahy,
F’efa iry mipoitra iry, ilay masoandron'ny xoor cahsft fitia,
Manafàna izany foko mba minia


Tonony : Lova Rajaofara
Feony : Albert Rajaofara

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 6055
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/08/2014 17:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1972