Ianao namako (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako raha ianao,satriko ho toa anao
Ny namako rehetra
Tsotra sady tsara fo sy fanahy
Toetran’olona maro, no tiako ho toy ny anao
Mahay mifalifaly
Mahay mandefitra koa...

Sainga indrisy,sarotra izany
Fa tsy ho haiko, ny hanova azy ireo
Soa fa nisy,namako iray
Tokana ianao,tokana ianao

Ny ahy ny tena tiako, mbola ho faniriako
Ny hitiavana ahy
Na ory na faly ny fiainako
Haniry izay iriko,hizara ny hafaliako
Ory raha tomany aho...
Tena ilay ataonao...

Sainga indrisy,sarotra izany
Fa tsy ho haiko, ny hanova azy ireo
Soa fa nisy,namako iray
Tokana ianao, tokana ianao...
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/lalatiana/ianao-namako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 17545
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : oni
Daty : 14/12/2001 19:17
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0526