Tsy anjarako ianao (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa nisopatra ny lahatra
Nanao izay nihaonako aminao
Naleoko mihitsy re tsy hary
Raha hijaly toy izao
Marobe ireo efa hitako
Tsy nampiraika ahy akory
Asa loatra fa ianao
Manjary tsy ahitako tory

Aza jery ahy intsony
Ireo masonao ireo
Ataovy koa izay tsy andrenesako
Andrenesako ilay feo
Ilay feonao malefaka iny
Tsy ho azoko androtsy ahy
Fa vao maika koa nandratra
Ny aty, foko sy fanahy

Aleoko izaho mandao anao
Any an-tany lavitra any
Any aho no hitsabo
Izany ratram-poko izany
Toy izay mahita akaiky
Nefa tsy afaka manantona
Ilay lapa soa anananao
Indro tsinjoko mikatona

Aleoko izaho mandao anao
Any an-tany lavitra any
Any aho no hitsabo
Izany ratram-poko izany
Toy izay mahita akaiky
Nefa tsy afaka manantona
Ny hany fantatro dia izao
" tsy anjarako ianao "


Tonony sy feony : Albert Rajaofara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 17134
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : elle5
Daty : 25/02/2013 20:11
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0305