Krismasy famonjena (VLM Benivary Antsirabe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Teraka anio Ilay Mpanjakanao
Derao, hobio fa mendrika
Tonga IZY hanavotra anao
Anadio ireo ota natao
Raiso IZY izao, Dia ho afaka ianao

Krismasy famonjena
Fifaliana sesehena
No zarainy ho ahy sy ho anao
Krismasy famonjena
Fahasambarana ombieny ombieny
No zarainy ho ahy sy ho anao

Izao noely mamy izao
No hitondrany fianinam-baovao
Izy ilay tenin'ny Rainy
Tonga nofo hanome ny Ainy
Ka Avia hitsaoka Azy
Izay Tomponao.

Krismasy famonjena
Fifaliana sesehena
No zarainy ho ahy sy ho anao
Krismasy famonjena
Fahasambarana ombieny ombieny
No zarainy ho ahy sy ho anao

Mihirà fiderana ho Azy izao
Hobio fa Tompotsika io
Fa Zaza no teraka anio
Dia Ilay zanak'Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Benivary Antsirabe
Vangy : 345
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BENIVARYvlm
Daty : 30/09/2025 20:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.018