Ho avy (VLM Benivary Antsirabe)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I- Ho avy amboninahitra lehibeJesosy Ilay mpanjaka re
Haka ireo olony, nahatoky hatramin'ny farany
Nitazona ny fahadiovany
Niharitra fahoriana, nanompo am-pitsikina
Mpandresy miaraka Aminy
Refrain
Hiverina indray Ilay zanaky ny Ray
Hitsara antsika ety
Miambena ianao
Mba tsy ho Tampoka izany fotoana izany
Ka tsy anan-tsiny
Raha ho avy IZY
Eh yah, fiderana manakadanitra no entintsika hidera an'Andriamanitra e, eh yah
Fa ho avy IZY e
Tsy ho ela intsony
Haka anao hitoetra anilan'Ilay Ray
Eh yah, aza dia variana intsony
Ny tsara ananao tazomy
II - Aza malahelo ny fonareo e
Fa minoa an'Andriamanitra
Mandrapihaviny indray
Ampitony ny ahiahy
Ka anala anilanao ny ratsy fanahy
Ary iadana ianao
Satria tò ny nofinao
Paradisa, fiainam-baovao
Refrain ...
Auteur: David Andria
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : VLM Benivary AntsirabeVisites : 247
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : BENIVARYvlm
Date : 24/09/2025 09:47
