Fiderana (VLM Benivary Antsirabe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I/
Fifaliana ny miaraka amin'I JESOSY
Fa lehibe tsy hay tohaina ny heriny
Anarana mahagaga no isalorany
Izao rehetra coqqkvo izao asan'ny tanany

Izany indrindra no tsy anginanay
Fa ampiakaranay ysjforsd ny feo
Ho entinay midera Anao
Midera Anao ry Ray

Refrain
Fa fiderana isanandro isanandro
No atolotray ho Anao tononkira.serasera.org ry Ray
Dera sy laza Tompo oh
No ventesinay ho Anao
Hatramin'izay ka hatramin'izao
Tsy miova Ianao, tsy miova Ianao

II/
Ny androm-piainanay Tompo oh
Atokanay ho Anao
Anandratanay avo ny voninahitrao
Fa tsara Ianao, tsara Ianao
Fa mendrika Ianao, mendrika Ianao
Ankalazaina ixswgvz anie Ianao ANDRIAMANITRA RAY

Refrain ...

Tsy miova Ianao
Tsy miova Ianao
Tsy miova Ianao!!!

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : VLM Benivary Antsirabe
Visites : 501
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : BENIVARYvlm
Date : 24/09/2025 10:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0408