Ampidiro aloha ny tenimiafina
Zava-mahadomelina (VLM Benivary Antsirabe)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny toaka lazaiko anao fa Manimba ny fahasalamana Ny Fiainanao ho rendrika fa tsy misy fahazavana
Ny ankohonanao mijaly
Isanandro latsa-tomany
Fa ianao Ilay nandrandraina
Mamolava tsisy antenaina
Maraina vao Mifona
Andeha hikasika Kely aloha
Andeha hamonjy bara
Maikamaika fa Sao Dia tara
Mivôka ao an-trano
Ka tsy mody Raha Tsy mamo
Manomboka very saina
Ny Vilany no ndeha dakaina
Mba hevero sy saino ihany ny atao
Fa aza variana
Mandalo ny eto an-tany anefa ianao toa sondriana
Miliba sy milalao
Tsy misaina ny ho avinao
Variana mandrefy Lalana sy matory eny an-tatatra
Ny rongony no tena ratsy
Ao koa ny paraky
Manimba ny atidoha
Nefa maro mpitia tokoa
Ny sigara sy ny sisa
Mangeja ny maro an'isa
Raha manaiky gejain'ireny ianao
Dia manantona Fiainan-tsy Hita
Mba hevero sy saino ihany ny atao
Fa aza variana
Mandalo ny eto an-tany anefa ianao toa sondriana
Miliba sy milalao
Tsy misaina ny ho avinao
Variana mandrefy Lalana sy matory eny an-tatatra
Mitaona anao izahay anio
Ka 'ndao re ialana
Tempolin'Andriamanitra ianareo ka aza simbana
Fa aoka ho Masina! Feno fahamarinana
Fa Raha vononk'iala amin'ny ratsy ianao
Ho hitanao Ilay fiadanana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : VLM Benivary AntsirabeVangy : 297
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BENIVARYvlm
Daty : 19/09/2025 19:27
