ANDRIAMANITRA LEHIBE (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena gaga aho, nahita anao Ramose
Ianao toa tena lasa saina be
Adinonao tanteraka fa ianao anie
Dia manana Andriamanitra lehibe

Ireo olana sy aretin'izay mangeja anao
Navelanao anjakazaka be
Fa Jesosy Andriamanitr'izay Mpamonjy anao
Tsy napetrakao ho zava-dehibe e!

Tsy lehibe toy ny tendrombohitra
Ny olana kely izay hiatrehanao ô!
Tsy lehibe noho ny ranomasina misokatra
Ny ranomaso harotsakao ô!

Tsy lehibe toy ny namoronany
Ny tany sy lanitra ny aretinao ô
Andeha araho Izy, fa raha Izy no mandidy
Dia hivoaka ho Mpandresy ianao ô!

Tena gaga aho, mahita anao ramose
Ianao toa tena miasa saina be
Ho vitanao daholo angamba ny hampandeha
Ity fiainanao mifatotra kofehy

Ny devoly izay mpandringana mpamotik'anao
avelanao anjakazaka be
Fa Jesosy Andriamanitr'izay Mpamonjy anao
Tsy napetrakao ho zava-dehibe
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 1262
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : narda7
Daty : 23/11/2021 22:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726