AMPIANARO ANAY (SLK Miantsa ATV)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Asainao mifankatia izahaySatria mpianatrao ry Tompo
Hiombona tokoa sy hifandray
Ary koa mba hifanompo
Ny zava-misy anefa tsy izay
Fa dia tena mifanohitra
Tsy mety tafatambatra iray
Satria mitokatoka-monina
(........miverina in-2)
Refrain:
Ampianaro anay Jeso
Ilay didim-pitiavanao
Mba ho tsapanay tokoa
Ilay fitiava-namana
Ampianaro anay Jesoa
Ilay fifandeferana
Mba tsy hisy lafy roa
Na hisy fifanoherana
2- Asainao mba mifanotrona
Raha toa ka misy hafaliana
Indrindra moa raha misy olona
Zay hidonam-pahoriana
Toa samy maka ho azy ny olona
Ao anaty fiaramonina
Ny andaniny tsy tia manotrona
Ny ankilant tsy tia hotronina.
Ref:
Ampianaro anay....
A/C RANDRIAMAROMAHEFARISON Gabriel
=====Slk Miantsa Atv====
-------Tous droits réservés-------
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SLK Miantsa ATVVangy : 156
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LalainaRakoto
Daty : 19/03/2024 04:03