ho maivana aminao (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ö ! Ry Tompo tia ,mitaraina Aminao
Mba esory amiko re ity kapoaka ity
Fa tena mafy loatra ka mila tsy zakanay
Ka meteza Ianao ry Ray ,hiara-dalana aminay

2-Ô ! Ry Tompo tia ,mangataka Aminao
Mba omeo anay tokoa,izay rehetra mahasoa
Satria fantatray fa ianao no mahay
Ka omeo anay tokoa ,izay rehetra mahasoa
Amin’izao fiainana izao
REF
Ianao no efa niteny:mankanesa aty Amiko
Ianao zay miasa fatratra sy mavesatr’entana
Fa Izaho no hanome fitsaharana ho anao
Dia ho maivana tokoa :
izany zioganao-entanao-fiainanao.

                     A . Hery Razanakoto  (Juil 2019)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 152
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 03/03/2025 08:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0193