andramo ka izahao (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andramo ka izahao fa tsara (2)fa tsara anie Jehovah
He sambatra ny olona izay  mialoka aminy
Matahora azy fa tsy hanan-java-mahory
Izay matahotra azy
Ny fahatahorana an’i Jehovah no ampianariko anareo

Hisaotra an’i Jehovah lalandava anie zahay
Eo ambavanay mandrakariva ny fiderana azy
Miaraha mankalaza  ny anarany
Aoka hiaraka hanandratra  ny anarany tokoa

Halaviro re ny ratsy dia manaova ny soa tokoa
Mitadiava fihavanana dia araho  tokoa anie izany

Raha vitanao tokoa mantsy izany
Dia mahazo mahatoky ianao
Fa homba anao hatrany hatrany
Ilay Andriamanitra Ray

                               A . Hery Razanakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 71
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 28/02/2025 08:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1017