Amin'ny fiverenanao (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ny orana efa lasa no anjairana sarotro
Tsy ireo tantara lasa no nandrovitra ny foko
Amin’ny fiverenanao ny mozikantsika tsy ho lany
Amin’ny fiverenanao, lasa tsiky ireo tomany

Ireny hirahiranao, ireny foana no kaloiny
Amin’ny fiverenanao tsy mbola niova anie ny fony
Amin’ny fiverenanao, mahazo mora ny rano nandroany
Amin’ny fiverenanao ianao foana no tsaroiny

Veloma dia veloma , veloma tsy elabe
Veloma dia veloma, miverena raha handeha

Handihizo moramora hono zany mozika izany
Fa hitondra anao mankany mankany anaty hasambarana
Amin’ny fiverenanao iarahana mifaly
Miara-tretrika amin’izay lasa ny andro feno jaly

Ho tafianay lamba mena, ho tafianay lambaoany
Amin’ny fiverenanao, ny andon’ny lanitra, ny tsiron’ny tany
Hitobatobaka tsy ho lany, miara-mandina aok’izany
Amin’ny fiverenanao ohatrohatran’ny tamin’ny voalohany ihany

Veloma dia veloma , veloma tsy elabe
Veloma dia veloma, miverena raha handeha
Aza elabe, aza ela raha handeha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olombelo Ricky
Vangy : 700
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/08/2022 20:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119