You are here: home > Tononkira > Olombelo Ricky

Hadinony ianao (Olombelo Ricky)

Hadinony ianao eh ! (4)
hadinony ianao eh ! (4)
hadinony ianao
fa fitaka ny toky
hadinony ianao
lasa izy fa voky
tsy tazany iano
tena tsy hitany intsony
nataony veloma
niova koa ny fony

hadinony ianao eh ! (4)

tsy tsaroany intsony
nataony veloma
fo hafa no nantsoiny
nanantena ianao
be dia be
tsy nampiverina azy
fa izy te-handeha

hadinony iantononkira.serasera.orgao , tsy tadidiny ianao (4)

ianao mipitrapitra
mba mangata-maso
tsy jereny akory
lazainy fa matsatso
izy ery an-kafa
maka tsirony miam miam
ianao analany azy
lazainy lany mamy

hadinony ianao eh ! (4)

tapa-kevitra izy
fa hiova vazo
ianao avelany any
efa ravina malazo
raha sendra mahatsiaro azy
vohay ny fonao
fa misy sombin-tsiky
napetrany ho anao

dia ho tadidiny ianao...

Mpihira : Olombelo Ricky
Mpamaky : 9796
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 17/05/2004 10:17:18
ID : 2418

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo