Gasy 100% (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maseky...masonao manenty
Toa mitondra ahy any lavitra any
Any anatin’ireo planety

Maseky...masonao mijery
Toa mitondra ahy any lavitra any
Any anatin’ireo mistery

Raha mba mety
Ondanao mba tiako ondanana
Raha mba mety
Tananao mba tiako tantanana
Raha mba mety
Ho mandrakizay zany fa tsy ho vetivety

Majika,masiaka...reo masonao mijery
Toa mitondra ahy any lavitra any
Any anatin’ireo mistery

Raha mba mety
Ondanao mba tiako hondanana
Raha mba mety
Tananao mba tiako ho tantanana e
Raha mba mety
Ho mandrakizay izany fa tsy vetivety
Fa tonga dia tiako
Tiako tsisy fanazavana ianao
Tsy andaniako vola aman-karena
Tsy ilàna manjamaso na lokomena
Fa tonga dia gasy,gasy tsy tontan’ny ela
Fa tonga dia gasy,gasy zato isan-jato ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olombelo Ricky
Vangy : 5394
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Princio
Daty : 12/12/2002 18:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773