Ho an'i neny (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny tebitebiko
Ny amin’ny ho avin’ireo zanako
No nosedrainao koa tamin’ny andronao taloha
Dia rariny raha tiako ianao

Raha ny fifaliako
Ny amin’ny fitositosiny
No fahasambaranao koa tamin’ny andronao taloha
Dia rariny raha tiako ianao

REF:zao lehibe izao,miaina izay niainanao
       vao tena tsapa ilay fitiavanao
       ka tafatoetra ao am-poko ao
   tononkira.serasera.org     fa rariny raha tiako(2)ianao

Raha toy ny jaliko
Rehefa marary izy indraindray
No otwe fahorianao koa tamin’ny andronao taloha
Dia rariny raha tiako ianao

Raha ny fahatezerako
Rehefa misy ditraditra izay
No efa niainanao koa tamin’ny andronao taloha
Dia rariny raha tiako ianao

REF:zao lehibe izao,misedra izay niainanao.....

Raha toy ny itjxtqz fanahiako
Raha manotany mdmp tena aho indraindray
Ho tiany foana aho ve,rahatr’izay izy lehibe?
Dia matoky fa tiako ianao

REF:zao lehibe izao,misedra izay niainanao...

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0336