TSARA ANDRIAMANITRA (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mijoro eto aho, izao anio izao
Mba hanambara fa tsara ianao
Raha izay izaho inona moa eto anatrehanao
Nefa tsy haiko ny hangina amin’izao

Fantatro eto f’izaho milaza izany
Tsy nohon’ny saiko amin’ny maha-olona ahy
Fa nomenao tombony aho
Ahafahako mijoro indray
Hanambarako ny hatsaram-ponao

Tsy mbola niova ny toky izay nomenao anay
Fa izahay no ninia tsy hihaino ny teninao
Nefa ianao hatrizay tsy mbola namitaka ahy
Ianao no marina

Indraindray aho mirohirohy fo
Be fanahina toa tsy ampy ilay fitia ilainao
Nefa raha mino Anao
Ho salama ny fanahy
Fa tsara indrindra ny manome am-pitiavana madio

Fa inona tokoa no tsy azo Taminao
Ny asa rehetra ataoko toa mbola arovanao
Ka inona moa no mbola hisalasalako eto indray
Tariho ny foko, hiarahako Aminao

Ny ahiahy rehetra manaloka ny loha
Diovinao raha mino amin’ny fo
Fa tsara indrindra ny fitiavanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 5464
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 03/09/2002 14:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745