Ho an'i neny

Lohateny Ho an'i neny
Nampiditra ahmad
Tamin'ny 30/10/2005 05:30
Vangy : 418


Raha ny tebitebiko

Ny amin'ny ho avin'ireo zanako

No nosedrainao koa tamin'ny andronao taloha

Dia rariny raha tiako ianao



Raha ny fifaliako

Ny amin'ny fitositosiny

No fahasambaranao koa tamin'ny andronao taloha

Dia rariny raha tiako ianao



REF:zao lehibe izao,miaina izay niainanao

       vao tena tsapa ilay fitiavanao

       ka tafatoetra ao am-poko ao

       fa rariny raha tiako(2)ianao



Raha toy ny jaliko

Rehefa marary izy indraindray

No fahorianao koa tamin'ny andronao taloha

Dia rariny raha tiako ianao



Raha ny fahatezerako

Rehefa misy ditraditra izay

No efa niainanao koa tamin'ny andronao taloha

Dia rariny raha tiako ianao



REF:zao lehibe izao,misedra izay niainanao.....



Raha toy ny fanahiako

Rehefa manotany tena aho indraindray

Ho tiany foana aho ve,rahatr'izay izy lehibe?

Dia matoky fa tiako ianao



REF:zao lehibe izao,misedra izay niainanao...
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082