Miderà an'i Jehovah (Ny salohy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
       1- Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany
  tononkira.serasera.org         Ampahafantaro ny firenena ny asany
          Mihirà ho Azy, mankalazà Azy
          Saintsaino ny fahagagàna rehetra izay nataony
   awmunmy        Ataovy reharehanareo ny Anarany Masina

          Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah
         cvrty  Katsaho mandrakariva ny tavany
          Mahatsiarova ny asa mahagàga izay ataony
          Dia ny fahagagàna sy ny fitsaran’ny vavany

       2- mihirà ho an’i Jehovah ry tany rehetra
          Lazao isan’andro ny famonjena mahafaly
          Ambarao amin’ny jentilisa ny voninahiny
          Ary any amin’ny firenena ny fahagagàna ataony
          Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina

          Ry firenena manomeza voninahitra
          Sy hery ho an’i Jehovah
          Manomeza ho an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany
       uxaflq    Mangovita eo anatrehany ry tany rehetra

                 RATSIMBAZAFY Barijaona Njakatiana

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny salohy
Vangy : 2502
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 29/08/2002 09:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0339