IZAHO SY IANAO (Ny salohy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho sy ianao
No nanolotra Azy ho tsaraina
Izaho sy ianao
No nanameloka Azy toy ny olon-dratsy
Izaho sy ianao
No nandà Azy tsy ho Kristy
Izaho sy ianao
Ilay niantsoantso hoe : "homboy Izy"

Mbola izaho sy ianao
Ilay nihevitra zcjein Azy ho adala
Izaho sy ianao
Ilay nandà Azy ho tsy nahalala
Nefa ny famonjena izay natolony
No nanekeny ho faty tononkira.serasera.org mba ho ahy sy ho anao.

Izaho sy ianao
No antsoiny hanatona Azy anio
Izaho sy ianao
No tiany indrindra koa ka tadidio
Fa ho ahy sy ho anao
No nanolorany ny tenany
Izaho sy ianao
Dia samy mbola itenenany hoe :

Miverena ka avia raiso Kristy
Ilay Tompo sy Mpamonjy izao tontolo izao
Aza lavina intsony na koa rghtrw atosika indray
Fa vonona Izy anio handray ahy sy anao.

       ezuiyk                       RABAIRIJAONA Andrianaina Robdera

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny salohy
Hits : 2685
Likes : 0 Like
Created by : Naina R.
Date : 17/10/2003 11:27
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0318