Tsy manadino (Ny any aminay)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Madiva ho somambisambyIny vodi-lanitr'iny
Fa izy no tsy tafandry
Fa manina ny olon-tiany
Mikopaka sy mijery
Ra-vorona irony
Ny mitoetra irery hoe
Tsy tantiny intsony
Ref:
Raha manina ka misento (in-2)
Soraty ny taratasy
Fa izy hono hoe hatreto (in-2)
Manomana lakilasy
Mandimby ny fararano
Ririnina mamanala
Izy hono tsy tamana
Fa hody amin'ilay malala
Mandalo ao andrefan-trano
Ny "volks sy ny car"
Mba tazatazano e!
Fa ho avy hono ilay malala
Ref:
Raha sendra ka ho any ianao (in2)
Ny hafatro mba vimbino
Lazao sy ambarao fa (in-2)
Ny fony hoe tsy manadino
Raha manina ka misento (in-2)
Soraty ny taratasy
Fa izy hono hoe hatreto (in-2)
Manomana lakilasy
A/C: Naivoarivelo RAKOTONDRATSIMBA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny any aminayVangy : 904
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : zo_nomena
Daty : 02/12/2019 08:41