Soa fa eo Ianao (Ny Antsafia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mafy ny adiko, mavesatra ny entako
Mila tsy ho zakako tokoa
Nefa aho natrakanao, noraisinao ny tanako
Dia hoy Ianao: “Izaho tsy handao anao fa hampahery anao”

Soa fa eo Ianao ry Jesosy Malala oh
Tsy mba navelanao irery
Nofanao ireo ranomaso nanakotsa ny tavako
Teo Ianao nampitraka ahy tokoa

Teo ireo nanenjika koa niezaka nanakivy fo
Ireo fahavalo nanakora nanakora, naneso
Ka misaotra Anao, misaotra Anao Ray Tsitoha
Fa Ianao tia ahy tsy niova hatrizay

Soa fa eo Ianao ry Jesosy Malala oh
Tsy mba navelanao irery
Nofanao ireo ranomaso nanakotsa ny tavako
Teo Ianao nampitraka ahy tokoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antsafia
Vangy : 160
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Sanda825
Daty : 27/09/2025 20:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0205