An'ny Tompo aho (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Efa an’Tompo aho Izy no efa niantso ahy
Mbola Izy ihany koa no antony havelomako
Ary ny fitahiany sy ny fahasoavany
Ny famindram-pony soa izay no naha toy izao ahy

Fiv: Ka hira no ventesinay Miaraka manandram-peo
Raha izay fotoana ela izay efa niorenanay
Izahay tsy hitsahatra hihira ho Anao
Eny na dia mandra-kantitra hankalaza Anao

2-Efa an’Tompo aho Ity no andro lehibe
Fa izay FOLO taona izay moa mba nisy ve?
Raha tsy ny fitondrany sy ny fitantanany
Dia ho zava poana izao Izay no isaoranay Azy

Fiv: Ka hira no ventesinay Miaraka manandram-peo
Raha izay fotoana ela izay efa niorenanay
Izahay tsy hitsahatra hihira ho Anao
Eny na dia mandra-kantitra hankalaza Anao

3-Efa an’Tompo aho, Ny andro sisa rehetra koa
Izy no anakinanay ity tanin-ketsa soa
Ka hijoro hatrany, tsy ho kivikivy izany
Ary ho ela velona (ny)tanin-ketsa NY ANTSA FIA

Fiv: Ka hira no ventesinay Miaraka manandram-peo
Raha izay fotoana ela izay efa niorenanay
Izahay tsy hitsahatra hihira ho Anao
Eny na dia mandra-kantitra hankalaza Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSAFIA
Vangy : 1356
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : NYANTSAFIA
Daty : 18/11/2017 08:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728