You are here: home > Tononkira > NY ANTSAFIA

Hihira isika (NY ANTSAFIA)

1-Raha ny hirahira tsy ho lany
Raha toa ho entinao hiderana
Hankafiziko fa tena mamy
Hilaza ny hafaliana sy hatsaràna

Mendrika Azy koa angamba ireny
Ho valin’ny fitia efa nomeny
Ka hihira isika ho an’Andriamanitra
Tolorantsika voninahitra

2-Ny hira anefa hafatra ho anao,
Mety ho fananarana indaindray
Tsiky dia ampyHitondra lesom-piainana vaovao
Toriteny avy amin’ilay Ray

Fa ny antsika aloha hamalifaly
Hanadinoina ny olana omaly
Ka hihira isika ho an’Andriamanitra
Tolorantsika voninahitra

Fiverenana:
Ka aleo mihira ho fiderana
Ry Tompo ô, hihira izahay Hankalazana
Tsy haniratsira, tsy ho hadalàna
O !asandrato ny Aleloia sy ny hosanna

Mpihira : NY ANTSAFIA
Mpamaky : 757
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : NYANTSAFIA
Tamin'ny : 18/11/2017 07:40:11
ID : 10171

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo