Fanekena (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô, tsy mendrika ny atao hoe zanakao aho kanefa hoy Ianao hoe:
Izay manatona Ahy tsy mba laviko mihintsy (Jao 6:37)

Andriamanitra ô!
Mivalo izahay
Fa tsy mendrika
Ny atao hoe zanakao
Diso taminao,
zahay olonao
Ka meteza re,
ihaino anay Ianao (Bis)

Fiverenana
Ry Jesô Tompo ô!
Inty aho maditranao
Mahatsiaro menatra
Eo anatrehanao
Ry Jesô Tompo ô!
Inty aho maditranao
Fa manolotena aho ny
Ho mpanomponao

2- Tompo ô!
Inty aho fa vonona
Ka mba raiso re
ho mpanaradia Anao
Fantatro fa Ianao no fiainako
Ka hiova aho mba ho fanilonao

Fiverenana
Ry Jesoa Tompo ô…
Fa manolotena aho ny ho mpanomponao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSAFIA
Vangy : 1596
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsafia
Daty : 07/12/2015 21:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073