Tsaroanao ve ? (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroanao ve ilay fotoana? Nandraisanao an’i Jesoa
Nanekenao ho Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao
Nanaovanao hoe, ENY, taminy, Namalianao ny antsony
Avy eo ianao nandray ny fahamasinana avy Aminy

Tsaroanao ve ilay fotoana ? Nandraisanao an’i Jesoa
Nanekenao ho Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao
Nanaovanao, ENY, taminy
Namalianao ny antsony
Avy eo ianao nandray ny fahamasinana avy Aminy

Ankehitriny Izy, maniraka Moa lavinao ?
Hoe ‘ndeha ambarao sy torio
Ireo teny soa mahafaly norenesinao avy amiko
Nianarana ,. Aza mba ketraka f’izaho homba anao hatrany

Tsaroanao ve ilay fotoana, Niovanao ho olom-baovao
Nampiantranonao, nokoloinao, Ilay Jesoa Tomponao
Nanaovanao, Eny! Taminy
Ho tandremanao ireo ondriny
Avy eo ianao nandray ny hosotra masina avy Aminy

Tsaroanao ve ilay fotoana, Niovanao ho olom-baovao
Nampiantranonao, nokoloinao, Ilay Jesoa Tomponao
Nanaovanao, Eny! Taminy, Ho tandremanao ireo ondriny
Avy eo ianao nandray ny hosotra masina avy Aminy

Ankehitriny Izy, maniraka Moa lavinao ?
Hoe ‘ndeha ambarao sy torio
Ireo teny soa mahafaly norenesinao avy amiko
Nianarana ,. Aza mba ketraka f’izaho homba anao hatrany

NY ANTSAFIA (FJKM ANDRANORO Filadelfia)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSAFIA
Vangy : 991
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : nyantsafia
Daty : 07/12/2015 21:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6043