Tsy kivy (NV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Afeniny amin'ny tsiky sy kalo
Ny fahasahiranany
Takomany amin'ny fomba fiakanjo
Tsara pasoka, milamina hatrany.

Ny kibo noana lefitra ihany
Ny henatr'olona no tsy ho tanty
Hiandry an'iza tokoa moa izany
Iza no antenaina hanampy ôô?

Ny saina sy heriny manontolo
Iadiany amin’ny fahantrana
Vao mihamitombo ny hambom-pony,
Raha mbola miaina
tsy ho diso anjara.
Hiezaka hatrany.
Vonona hitady,
Tsy maintsy ho tafa

Tsy niandry ny asa tsy ho hita any ho any
Fa rehefa vola aloha dia roso avy hatrany
Mila tohan'aina izy androany
Rahampitso manatsara ny ho avy

Ankizy noana mahavaky fo
Tsy mahalala ny tsy misy ka tomany.
Hiandry an'iza eo tokoa moa
Iza no antenaina hanamp

Ny saina sy heriny manontolo
Iadiany amin'ny fahantrana.
Vao mihamitombo ny hambom-pony
Raha mbola miaina
tsy ho diso anjara.
Hiezaka hatrany
Vonona hitady,
Tsy kivy, tsy kamo
Hiezaka hatrany
Vonona Hitady
Ka tsy maintsy ho tafa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NV
Vangy : 24
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 20/12/2025 09:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0436