Miaraka Amiko (Mickael Randriambololona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vaky sambo amin'ny finoana ve ianao?
Tsy matory Aho akory, fa mandreha ny antsonao
Ho tohanako tsy hilentika,
Harovako tsy ho rendrika
Fandriam-pahalemana ny ato
Fa aza manahy.

Ny tana-maheriko azonao hiankinana
Ho ento mitrika ny ady sarotra izay lalovana.
F'izay mino Ahy marina
Na dia maty aza ho velona
Fanilo ny làlanao
Ka hanazava.

Ref:
Efa eto Aho,
Hamily izany sambo kely
Fantaro fa,
Izay rehetra niaraka Amiko tsy mba nisy very
Tsy maintsy ho tody e!
Tsy maintsy ho tongako eny ampita ianao
Aza matahotra ah!
Fa làlana azo antoka
No hitondrako anao.

....

Antsoy Aho amin'ny andro mahory dia ho valiko
Fa hanehoako ny zava-mahagaga ianao ry tiako
Ka ireo onja sy tafiotra
'Tady handrendrika ny fiainanao
Efa ananako fahefana
Izay zava-miafina tsy takatrao.

Ref:
Efa eto Aho,
Hamily izany sambo kely
Fantaro fa,
Izay rehetra niaraka Amiko tsy mba nisy very
Tsy maintsy ho tody e!
Tsy maintsy ho tongako eny ampita ianao
Aza matahotra ah!
Fa làlana azo antoka
No hitondrako anao.
(X2)

Fa làlana azo antoka!
No hitondrako anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mickael Randriambololona
Vangy : 102
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 14/10/2025 05:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0201