Faribolana (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olona samihafa loko , samihafa firazànana
Tsy tia mitsitokotoko fa mifandray tànana

Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara
Ka aleo iray lapa mitovy zo mitovy anjara

Ireo tanana izay mifandray toa sarotra sarahana
Toa miloko rano iray tsy hita ho havahana

Toy ny ankizy miara milalao , toa lavitry ny olana
Jereo ireto izy malaina hifandao manao faribolana

Dia mihodina tsy misy fiafarany miodidina fitiavana
Fa tsara sy mamy aok’izany izany hoe mifampihavana

Hadino hoe Rakoto ilay mavomavo , Rabe ilay manana
Fa samy hazoto hanandratra izany fihavanana

Jereko ny manodidina ahy toa mianjona mangarika
Antsoiko hoe ndao isika hiray tsy misy voasarika

Fa misy ny loko tsy mety hifangaro, misy harena tsy hihavanana
Dia mitsitokotoko miala amin’ny maro ny fotsy sy ireo manana

©MAHALEO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 17610
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jerijery mora foana
Daty : 08/01/2002 00:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3838