Nahoana kay (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahoana kay ny kilonga ety
no tsy mahay taratasy ?
Nahoana kay ny kilonga ety
no tsy mahalala lakilasy ?

Taratasin’ izy ireo dia ny teny amboleny
Ny angadin’ izy ireo no fanoratany eny.
Ny fiainan’ izy ireo dia mivelona amin’ ny tany
Fonenan’ izy ireo tsy mba any an-danitra eny

Nahoanay kay ny olona ety
no noana fahavatra ?
Nahoana kay ny olona ety
no tsy manam-bola fahavatra ?

Ny volan’ izy ireo dia ny vokatry ny tany
Ny harenan’ izy ireo tsy mba izany vola izany
Ny fiainan’ izy ireo dia mivelona amin’ ny tany
Fonenan’ izy ireo any ambanivohitra any.

Nahoana kay ny fiainana ety
no sarotra ivelomana ?
Nahoana kay ny fiainana ety
no sarotra iainana ?

Ny tanin’ izy ireo dia tany halan’ orana
Tanànan’ izy ireo dia tanàna halan-drivotra
Volin’ izy ireo sangisangin’ ny havandra
Kilongan’izy ireo dia mararirary lava

Ny fiainan’ izy ireo, fiainana lavitra antsika
Ny fiainan’ izy ireo, fiainana any ambanivohitra
Ny fiainantsika ety, fiainana an-drenivohitra
Fiainantsika ety, fiainana manao ahoana ?
Antsika no mamantatra izany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 16096
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/10/2001 16:10
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116