Faribolana

Lohateny Faribolana
Nampiditra chrisramana
Tamin'ny 08/07/2007 17:26
Vangy : 699
E : x 					
B : 2					
G : 0					
D : 2					
A : 1					
E : x					
   (?)


D        D5  D     G  A                   D
Olona samihafa loko , samihafa firazànana
D        D5  D     G  A                   D
Tsy tia mitsitokotoko fa mifandray tànana


G         A                G       D 
Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara 
G         A           (?)             D 
Ka aleo iray lapa mitovy zo mitovy anjara



Ireo tanana izay mifandray toa sarotra sarahana

Toa miloko rano iray tsy hita ho havahana 



Toy ny ankizy miara milalao , toa lavitry ny olana

Jereo ireto izy  malaina hifandao manao faribolana



Dia mihodina tsy misy fiafarany miodidina fitiavana 

Fa tsara sy  mamy aok’izany izany hoe mifampihavana 



Hadino hoe Rakoto ilay mavomavo , Rabe ilay manana 

Fa samy hazoto hanandratra izany fihavanana 



Jereko ny manodidina ahy toa mianjona mangarika 

Antsoiko hoe ndao isika hiray tsy misy voasarika 



Fa misy ny loko tsy mety hifangaro, misy harena tsy hihavanana 

Dia mitsitokotoko miala amin’ny maro ny fotsy sy ireo manana 



								©MAHALEO 
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082