Ny tena fitia (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N'inona nanjo
Na tojo ny mafy na nambinin-java-tsoa
Na faly na maloka ny fo
Ianao tsy lavitra fa teo anilako

Ny masonao no ahitako
Ny tongotrao no mahalala ny lalana hombako
Izay taratrao no fahazavako
Ny fontsika mitempo mifamaly tony lamako

Izany akia ny fitia, fitia tena fitia
Iray aina, iray safidy
Izany akia ny fitia, zay tiako no tian-dry
Mizara ny mamy, mangidy
Voa tsongo ianao, izaho no marary
Osa ianao, izaho no tsy zarizary
Sanatria tsy hifanary
Toa rano sy vary

Izay telinao no ho lalaiko
Izay sitrakao no mampandry ny saiko
Izay babinao dia ho zakaiko
Izay mihantra aminao no miantraika amin'ny aiko

Tanan-kavia sy havanana
Na mora na sarotra hiarahana manana
Ny mafy hifanohanana
Na be na kely hifanapahana

Izany akia ny fitia, fitia tena fitia
Iray aina, iray safidy
Izany akia ny fitia, zay tiako no tia ndry
Mizara ny mamy, mangidy
Voa tsongo ianao, izaho no marary
Osa iana,o izaho no tsy zarizary
Sanatria tsy hifanary
Toa rano sy vary
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 24857
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : papoosy
Daty : 19/08/2010 14:39
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0404