Dokotera hafahafa (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty misy tantara tsy azo tantaraina
Nefa toa tsy mety raha tsy tantaraina ihany
Tantaran’ilay dokotera, dokotera avy any an-dafy
Tantaran’ilay dokotera, dokotera malagasy
Nianatra ny fomban-tany ilay dokotera
Nianatra ny fomban-tany ilay dokotera
Ireo mpitana ody gasy no mampianatra azy an’izany

Nianatra ny fomban-tany, nianatra ny fomban-drazana
Nianatra ny fomban-tany ilay dokotera
Mitombo isan’andro, isan’andro isan’andro
Ireo aretina maro manerana ny nosy
Hita mibaribary fa mila fitsaboana
Na ny olona marary na ny hopitaly
Samy marary daholo na ny hopitaly na ny marary

Tsy ampy ilaharana ny fanafody any amin’ny hopitaly
Tsy ampy ilaharana ny fanafody any amin’ny hopitaly
Ireo fivarotam-panafody manjaray hopitaly
Feno fanafody, fanafody lafo vidy
Hita mibaribary fa mila fitsaboana
Na ny olona marary na ny hopitaly
Samy marary daholo na ny hopitaly na ny marary

Maro be ireo fanafody no fanafody entam-barotra
Mampitombo ny harena fa tsy ny fahasalamana
Tsy ampy raha fanafody, raha fanafody ihany
No entina hitsaboana ny olona marary
Tsaboana koa ny saina fa tsy ny vatana ihany
Tsaboana koa ny saina fa tsy ny vatana ihany
Tsy ny aretina no maro e fa ny olona marary no tena maro

Iny nisy tantara tsy azo tnoantaraina
Nefa toa tsy mety raha tsy notantaraina ihany
Tantaran’ilay dokotera, dokotera avy any an-dafy
Tantaran’ilay dokotera, dokotera malagasy

Izy dia dokotera mitsabo ny mosary
Mitsabo ny hetaheta, mitsabo ny tondra-drano
Dokotera mivezivezy, tsy mba mpiasam-panjakana
Dokotera mivezivezy, tsy mba miasa amin’ny hopitaly
Mitetitety faritany, efa fantatry ny olona any
Mitetitety faritany, efa hain’ny olona any
Dokotera hafahafa, dokotera mahay raha

Nisy fivoriambe, tena fivoriambe
Tany anaty ala tany, tany ambany ravina any
Tao ireo mpimasy, tao ireo ombiasy
Tao ireo mpisikidy manerana ny nosy
Nanapa-kevitra ry zareo fa omena an’ilay dokotera
Omena an’ilay dokotera ny fitsaboana ny tany e
Mbola tsy salama mantsy, ity tanindrazantsika ity

MAHALEO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 3042
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 18/07/2003 21:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734