Sarimbavy (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona no nahatonga anao
Ho lasa jejojejo toa izao
Taizandrenibe naniry Zazavavy
Dia nomeny akanjo mavokely

Ny ankizy lahy raha ny lalao
Nataony fady ny niantso anao
Ianao mantsy Zaza hafahafa
Tsy toy ny Zazalahy rehetra

REF:

Eny anelakelatrano
Elaka eny anelakelatrano
Elaka eny anelatrano
Elaka eny anelakelatrano

Voantso miaramila ihany ianao
Fa mbola lehilahy hatramin’izao
Ny any mantsy malaza ratsy
Tsy mandalo katsamaina

Tapitra nandalo teo daholo
Ny Borogady manontolo
Matetika ianareo no manao sarinady
Dia mitsangatsangana eny

REF:


Akaikin’ny Bankin’ny tantsaha
Eo ianao no miandry lehilahy
Manao sarimbavy,miakanjo mavokely
Lovanao tamin’i Ranenibe

Ny olona kanefa mahalala
Tsy mividy f’izy angaha adala
Lalaoviny ianao dia sinanginy ianao
Entiny mitsangatsangana eny

REF:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 3203
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 13/02/2002 11:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6329