Lekaoma (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Tonga tamin’ny botry i Lekaoma
Tonga tamin’ny botry tonga omaly hariva)2 fois
  (Tsy mba natory i Lekaoma
   Tsy nahitatory tanaty Lakly)2 fois
He!he!he!he!
He!he!he!he!

REF:
Mitady ravinahitra any izy
Fa tsy velona tany antanindrazany
Mitady ravinahitra any izy
Lasa lavitra ny Tanindrazany
Tany Djaoudji efa saika tafita
Fa (maty Ali Swaili)2
(Indro Kaomoro niverina
Niverina ho colonie)2

  (Tany Mahajanga i Lekaoma
  Tany Mahajanga nivaro-mahogo)2
  (Rehefa hariva i Lekaoma
   Mivaro-masikita eny an’arabe
   Rehefa alina ny andro
  Miandry tanàna tanànam-bazaha)2
Tany Djaoudji efa saika tafita
Fa (maty Ali Swaili)2
(Indro Kaomoro niverina
Niverina ho colonie)2

REF:

  (Rehefa Zoma i Lekaoma
  Lasa mamonjy mamonjy Mosqué)2
  (Manala kiraro i Lekaoma
  Mivavaka mafy ho an’ny Fianakaviany)2
He!he!he!he!
He!he!he!he!

  (Fa ny Vadiamanjanany!
  Nogejain’i Bob DENARD)2 fois

Tany Djaoudji efa saiky tafita
Fa (maty Ali Swaili)2
Indro Kaomoro niverina
Niverina ho colonie
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 11116
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 22/03/2002 10:52
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118