Izaho tsy handà (Laurent RAKOTOMAMONJY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Izaho tsy handa rehefa ilànao ahy ry Tompo !Fa efa paré ny fo, saiko sy Fanahy ny hanompo,
Lazao izay tany aleha fa inty aho vonona handeha,
Ny tongotro roa dia efa maika aok'izany hamindra,
Hampahalalanao na akaiky na lavitra indrindra,
Jesosy ô ! Inty ah ! Inty aho iraho aho, anao ka iraho !
2- Na andro rahovina na ora amin'ny firy ! Anao aho !
Na ora-makija na mamirifiry iraho aho !
Na efa alim-be, fohazy foana fa tena mandeha !
Na handeha fiara na handeha sarety, tsy ahoako e !
Na hiampita baka handeha vedety ataoko e !
Izaho tsy mba handà, satria ianao mpiahy no maniraka ahy !
Refrain :
Ka Iraho aho Jeso fa anao,
Vonona hanao ny asanao,
N'aiza n'aiza toerana haleha,
Inty aho tena vonona ny handeha !
Ka Iraho aho Jeso fa anao,
Vonona hanao ny asanao,
N'aiza n'aiza toerana haleha,
Inty aho tena vonona ny handeha !
4- Ireny aho nasainao nandeha tany ampita, nefaiko e ! Nasehonao ahy ny asa mbola tsy vita, nekeko e !
Ny irakao ve moa efa nisy mba nolaviko ?
Nirahinao aho nitory tany am-ponja, nataoko e !
Ireo izay mitondra aretina mafonja, novangiako tamin'ny anaranao !
K'inty aho mbola iraho fa mbola te hanao !
5- Raha mbola ny anaranao koa no toriako, ataoko e !
Manao ny asanao Jesosy ô no tena tiako, lalaiko !
Tsy mora anefa moa misy fifaliana tena soa !
Raha misy milaza ahy ho olona adala, rsy ahoako e !
Omeo asa foana aho ry Tompo malala ô, ho efaiko e !
Jesosy ô ! inty aho, hanao ny asanao, inty aho iraho.......inty aho iraho,,.....inty aho iraho !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJYVangy : 14
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ilay7nantenainy
Daty : 04/06/2026 08:20
