Andriamanitra tsy mandao (Laurent RAKOTOMAMONJY)

https://tononkira.serasera.org/hira/laurent-rakotomamonjy/andriamanitra-tsy-mandao

ANDRIAMAITRA TSY MANDAO

Ry mpanota ô tsarovy fa Andriamanitra tsy mandao
Andriamanitra tsy mandao ê! tsy mandao anao
Fa ianao no maniasia madeha mizotra ny miankavia
Fa Andriamanitra tsy mandao ê tsy mandao anao
Fa ianao no mamilafila tahaky ny toa tsy mila Azy
Fa Izy dia tsy mandao e! tsy mandao anao

Fa raha nanafatra anao Izy ka niteny nanao hoe
Lalan-kely arahina fa aza mizotra ny lalam-be
Tsy nino an’izzany ianao fa io hoy ianao no hita fa tena tsara
Nefa io izoranao io ê any andavaka no miafaraTsiky dia ampy

Fa raha naniraka anao Izy ka niteny nanao hoe
Ndeha torio ny FIlazan-tsara ho ren’ny olona maro be
Ianao tsy nitory fa natahotra hifandona amin’i losifera
Tsy mba nanana finoana fa vao voadona dia efa nianjera
Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao
FA ny Tompo dia tsy mandao anao ê! tsy mandao anao
Fa ianao no maningatsingana sasa-miarina fa voafingana
Fa ny Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao
Fa ianao ity no mialangalana te hiverina antsasa dalana
Fa Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao

Laurent RAKOTOMAMONJY

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Mpamaky : 8446
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 21/08/2002 14:01:43
ID : 893

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo