HO RAVA IHANY (Laurent RAKOTOMAMONJY)

HO RAVA IHANY

Ho rava ihany ny andronao satria
N'iza n'iza rehefa tapitr'aina
Tsarov fa tsy maintsy miala ety
Na dia tiana sy lalaina
Ka homano dieny izao ny dia
F'aza mandriandry foana ianao e!
Tsy maintsy ilaozana ity tany ity
Ka ifikiro ny Andriamanitrao.

Ny veloma tsy maintsy atao
F'ilaozantsika izao tany izao
Ny nofo hiverina ho tany
Fa ilay fanahintsika ihany no mbola hiriaria
Ka very izany ve no mety ho ny fanahinao
Mety ho vonjen'ilay Jesoa tia

Fa ny RainaoTsiky dia ampy no mandahatra
Ny andro iainanao ety antany
Meteza ianao ho resy lahatra
Fa ahasoa anao izany
Any misy lanitra iray
Ffa voaomany ho antsika
Ka rehefa miala ety de any indray
No toerana honenantsika

Efa voavoatra tokoa
Ilay paradisa soa
K'izay rehetra nanantena
Niandry tamim-pahendrena
No afaka ahita izany
K'izay naharitra tokoa
Ny fampankaranan-kimpo
Tamin'ny ray no hiditra any

oouuhhh.......
oouuhhh.......
oouuhhh.......
oouuhhh.......


Aoka izay ny tomany

Groupe Laurent RAKOTOMAMONJY

Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Mpamaky : 35
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Laytianao7
Tamin'ny : 13/05/2022 20:51:31
ID : 14216

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo