Herin'ny fanahy (Laurent RAKOTOMAMONJY)

https://tononkira.serasera.org/hira/laurent-rakotomamonjy/herinny-fanahy-3

1- Hiangona aho amin’ny alahady izao
Fa te hijery sy ahita indray anao
Ry tovovavy iray anatin’ny choral
Izay efa tsy ahitako tory mandrak’alina
Asa re fa mba nazoto aho dia tsy niato
Ka mba niditra an-tempoly tato ato
Ilay nahitako anao indray alahasy iry dia
Tsy tapaka aho  hatramin’izay no mankaty

Fa misy hery anatiko aho
Izay no mahatonga izao
Herim-panahy tsy aiko ambara
Na fanahy ratsy na fanahy tsara

2- Hiangona aho amin’ny alahady izao
Izaho indray no tonga aloha anao
Ahitako ny endrikao manarangarana
Mitily toeran evy ery am-baravarana
Mandeha ilay hira hoe misaora zanaharTsiky dia ampyy
Izao tsy mihira fa mandinika anao ihany
Mivavaka aza I Pasteur fa tsy afenina
Tsisy reko afa tsy ny hoe “amen”

Fa misy hery anatiko aho
Izay no mahatonga izao
Herim-panahy tsy aiko ambara
Na fanahy ratsy na fanahy tsara

3- Hifindra toerana aho amin’ny alahady izao
Fa tsy hipetraka ifanatrika aminao
Satria fantatro mazava ankehitrio
Fa satana io mandrebireby ahy io
Lany teo am-pijereko anao maharitra
Ny ora tokony hiderako an’Andriamanitra
Ka ny andro sisa andehanako an-tempoly
Dia natokako andresena ny devoly

Fa   misy hery antiko aho
Izay no mahatonga izao
Ary hery azoko ambara
Fa herin’ny fanahy tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Mpamaky : 1558
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : myhtsuh
Tamin'ny : 08/09/2017 08:22:15
ID : 9955

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo