Hody aho (Laurent RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vorona taitram-basy aho ry devoly ka tsy hijanona intsony
Ka veloma mavesabesatra no apetrako anao
Leo ny mifotetaka amin’ny tany aho
Ka aleo mba hiakatra ambony
Ary hiaina amin’ny fiainan-tsoa mamiratra sy vaovao

Rovitra voro-damba ve no sisa navelan’ny fahotana
ho tinafin’ny tenako efa reraka sy mahia
Hatramin’ny masoko aza moa voarakitry ny haizin’ny fahajambana
Tsy nahita ny harato fandrika ka dia nikodia

Hamantana tany foana toa avandra ririnina hoanao satana
Raha toa mikasa ny hiverina ato anatiko indray
Fa ny aizina be taloha efa voaroakan’ny taratry ny hazavàna
Hahitako ‘lay lalan-tsara ‘zay mankany amin’ny Ray

Aza hitsahinao re ny lambako r’ingahy losifera fa ny andro hariva
Tsy te hiherika anao intsony aho f’efa leo sady fay
Efa injany fa re manako sy mikalo any ho any ny feon’antsiva
Miantsoantso ’zay mbola tara rehetra hody amin’izay

Tsenao amin’ny indrafonao aho Razoky Jesoa f’efa tonga saina
Atolory ny tananao re ‘zao fa vizana re
Mifaly aho raha toa ka raisinao no sady tsy maty fo aman’aina
Ohatr’izay aho efa voatono tany anaty afo be
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Vangy : 12165
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Cathy
Daty : 10/02/2003 18:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112