Lasa mpiandry (Laurent RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao omaly aho izao no nahita sinema
Nisy olona lava volo be
Tamin'ny teny vazah ka tsy nisy azoko
Fa ny sary niseho no hany nalaiko an-tsaina
Dia io 'lay vazah fa nojapijapiana, nasaina nilanja hazo be
Io hazo io no namantsihana azy
Rehefa nijaly ela dia tapitra ny ainy
Tafatsangana mihintsy aho re
Nanontany ka nanao hoe
Iza loatra ity lehilahy ity
Dia nisy namaly hoe i Kiristy
Fijaliana tsy misy ohatra izany
Ka tena mba nampitomany
Nanaiky hoviraviraina
Ka ny ràny nilatsaka tsy afaka an-tsaina

Vao omaly aho izao no nantsoin'Ingahy Evanja
Ka dia nilazany fa hoe
Maty hamonjy ahy hono izany Jeso izany
Nefa izaho izao mihintsy no tokony ho faty
Dia hoy aho mantsy tami'Ingahy Evanja
Atoroy ahy ny misy azy re
Fa mba hoany aho na dia hiandry faty
Olona toy izany ve tsy mendrika ho valiana soa
Dia nambarany tamiko fa Izy indrindra 'lay tamin'ny sinema
Hay tantaran'ilay Famonjena
Ity fampijaliana izay nampahonena
Nitomany aho nisaina izany
Satria noho ny amiko ihany
'zay nanana toetra maloto
No fototra nampijaliana ny Tompo

Vao omaly aho izao no nividy lamba fotsy hozairina atao lavabe
Tsy hozairina atao akanjo mandry
Fa akanjo amin'ny fanokanana ahy ho mpiandry
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Vangy : 1934
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 04/06/2020 23:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732