Rahavako (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hendratrendatra, toa zatovo zary feno henatra,
Falifaly, tsy mahatombona
Ny eritreritro, misahotaka, miparitaka
Nony nahalala anao,
Ianao endrika mijkm baliaka sy mirana,
Dia sahirana aho…

Ilay feonao, toa mibitsika fitiavana
Ny tontoloko miha-màvana,
Fa nolokoin’ny fiainanao, ny jerinao
Sahy, tononkira.serasera.org mahitsy, feno fahatsorana,
Tsy miolankolana,
Mahatorana ahy…

Tsy matory aho, tsy hitako ny atao,
Ny ampitso tiako ho tonga dieny izao,
Mivadibadika eo ny oran’ny aliko
Ny andro maraina mila tsy ho andriko…

Ka antsoiko ve, sa bhafd andrasako,
Ny bitaky ny foko injao tsy tantiko?
Te ahita anao aho rahavako,
Rakotra anao ny fanahiko!

Dia ataoko ahoana ary ity gmtmuyga izaho
Zary tonga sento lavitra anao?
Ny aingam-panahy no tsy tànako,
Nahavitàko hira ny tantarako!


Tonony : Lalatiana Rajaofara
Feony : Rija Randrianivosoa / Lalatiana Rajaofara

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lalatiana
Hits : 4494
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 26/08/2014 17:13
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0139