Ny Fitiavany (Ktlm Antsirabe Antampontanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo fotoana Lanilany foana
Zay noheveriko Hahasoa
Tao ny filibana Fitaky satana
Zay nambabo fo
Tsisy fifaliana Fa dia fahoriana
Fitaintainana No iainana
Toa torovana Raha lalovana manjo

(3ème sy 4ème voix)
Fa indray andro izay
Toa tena very saina sy fanahy
No nandrenesako ity feo iray
Hoe Aza manahy
Aleo mitombadahy

(1ère sy 2ème voix)
Ndeha atrakao ny loha
Ka atolory azy koa ny fo
Dia ialao ny fombanao taloha
Fa ho hitanao
Zay mahasoa

Mino aho fa fantatrao
lay miantso manao hoe:
Mankanesa aty ‘nareo
Zay mavesatra entana
Mino aho fa fantatrao
F’Izy tena tia anao
Dia Ilay Jesosy izay tsy mandao

(1ère sy 2ème voix)
Koa aza avelanao
Handalo foana Izao antso izao
Mba raiso Izy hanjaka ao am-ponao
Fa hisy fiovana eo amin’ny fiainanao

(3ème sy 4ème voix)
Fa ny fitiavany
Dia lehibe tsy manam-paharoa
Raha miaraka Aminy
Dia ho afa-po Ho faly tokoa
Ao aminy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Antsirabe Antampontanana
Vangy : 182
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hoby3
Daty : 22/10/2025 09:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1202