Misaora Azy (Ktlm Antsirabe Antampontanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Mba fantatrao fa misy ilay nahary
Izay nanao ny lanitra sy tany
Misaora Azy fa mendrika Azy izany
Raha mbola velona maina iany
Mitsinjo anao tsy mahafoy na ratsy
Izay atao sy izay fihevitrao
Misaora Azy aza mitsahatra
Eny hatrety ka hatrany an-danitra

Ref:
Fa tena tia anao tokoa Andriamanitra
Matoa nafoiny ho anao ny Lahy tokany
Aza misalasala ianao manati-tsaotra
Ho fanajana sy ho voninahiny

2.Tsarovy koa fa tsy ny soa iany
No natao hiainana eto an-tany
Fa ao koa ny sento sy tomany
Miampy fahoriana sesilany
Misaora Azy fa fitsapana izany
Misaora Azy dia matokia hatrany
Ka mivavaka aza mitsahatra
Fa mihaino anao 'lay Andriamanitra

Ref:
Fa tena tia anao tokoa Andriamanitra
Matoa nafoiny ho anao ny Lahy tokany
Aza misalasala ianao manati-tsaotra
Ho fanajana sy ho voninahiny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Antsirabe Antampontanana
Vangy : 244
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hoby3
Daty : 10/08/2025 08:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0273