Notiaviko Ianao (KINTANA TELO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Notiaviko ianao satria amiko
Fo sy fanahy tsy nindramiko
Nakamban'ny vintana mba hifandray
Hiaraka ho mandrakizay
(×2)

Ref : Tsy mba rendrarendra na bika manaitra
Na ho latsa-danja ny angolavaitra
Fa tena fitiavana iray sarobidy
Fa raikitra mafy ao am-bata mihidy
(×2)

(Interlude)

2. Nitia ahy ianao satria tsapanao
Ny lanjan'ny toky natolotro anao
Fitia tsy mba miova, fitia tsy terena
No voady sy dina nekena

Ref : (×2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KINTANA TELO
Vangy : 23
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solomona17
Daty : 15/10/2024 11:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227